Entry | 1 Ny Tanindrazako |
Elementary words | 2 tany, 3 razana |
Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 5 Literature: poems |
Author |
|
Publishings |
1907/02/22. |
Full text |
7 Mba mamiko toy ny tantely 8 Izay tanindrazako izay, 9 Fa toa fonenan’anjely 10 Tsaroako mandrakizay 11 Mba reko fa misy ny tany 12 ‘zay tsara dia tsara tokoa 13 ny ahy tsy latsak’izany 14 fa tany mba be zava-tsoa. 15 Ny rivotra izay mba mitsoka, 16 Mampody ny aiko tokoa 17 Ny volana tsy mba misoka, 18 Iriko ho endriny koa. 19 Ny vorona raha mihira, 20 Manaitra ny saina sy fo 21 Ny hazony miantso : “midira” 22 Fa eto no mahafa-po. 23 Ny taolan’Idada malala, 24 Mitana ny aiko ho ao, 25 Ny saiko dia toy ny adala, 26 Tsy miala fa ao aminao. 27 Mitana hiorina mafy 28 Ny tenan’Ineny tsy foy, 29 Aleoko ho olo-mihafy 30 Fa izy tsy azo nafoy 31 Fonenan’ny olo-malala, 32 Fonenan-tsy tiana ho lao, 33 Ny tiana tsy manan-tsahala 34 Tsy hita tsy ao aminao. 35 Ny kintana tena mazava 36 Mazava malefaka koa 37 Ny volana no mampisava 38 Ny aizina tsy mahasoa. 39 Ry tany malalako loatra, 40 Ny foko dia manina anao, 41 Na lavitra aza hihoatra, 42 Fa tsy tody raha tsy ao aminao. 43 Misento mahalana ihany 44 Ny foko raha lavitra anao 45 Ny hehiko zary tomany, 46 Ny tsiky tsy azo natao. |
Updated on 2025/10/11 |
![]() |